Dikan'ny teny : bala

Hampiditra dikany vaovao
1 Firaka boribory alefan'ny basy amin'ny herin' ny vanja. [Balana], [voabala], [nobinala] balabala, abalabala 1 balabalana. - F.-p.: Bala mangatsiaka, bala maty, baba sasatra: bala maty afo, tsy mipoaka, tsisy hery. l Baba mihanta: bala misisika any anaty nofo ka tsy mety miala ao raha tsy didiana. / Balam-basy, balantafondro; bala very maina: enti-milaza fikirizana na asa natao tsy nisy vokany. Bala atifi-danitra, bala atifi-potaka. * Ohab.: Bala asesiky ny vanja ka tsy mianina raha tsy any an-tampony: enti-milaza olona mikiry manao zavatra ka tsy mijanona raha tsy tonga amin'izay kendreny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel