Dikan'ny teny : banky

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Enti-milaza olona tsy manana na inona na inona intsony noho ny fahavoazana nihatra taminy. (Jan Bankirompitra, bankiroty). ΒΆ M. h.: Foan-tanana, man-fa ny fananana, lany fatotra amam-pondrana, tsy am-bariraiventy, kisoa bory rambo, tsy kitay tsy vary maina, tsy filo tsy fihatsaka, tsy kibay tsy fively, mangadihady toy ny vilany nahandroam-patsa. Ahitsio
2 a.: Trano fitehirizambola izay ametrahan'ny olona vola, isamboram-bola misy antoka, miraharaha ny fifamoivoizan'ny vola, ary manonta vola koa aza indraindray. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel