1 a.: Karazam-biby lavalava tsy misy tongony na tanany fa mikisaka amin'ny kibony no fifindrany toerana. — Misy karazany maro ny bibilava eto amintsika, izay tsy mba misy poizina ny ankamaroany: ny bibimora, ny do na dona, ny fanany, ny fandrefiala, ny mandopotsy, ny mandotra na ranimandotra, ny marolongo, ny menarana, ny renivitsika, ny tompondrano, ny tampontany. * Ohab.: Bibilava vonono: tsy tanan-kandrangotra na tongotra hitsipaka, fa Andriamanitra no andrasana: enti-milaza ny olona osa na madinika na mahantra izay tsy mba afaka hamaly amin' ny herin'ny tenany raha misy mamely azy fa Andriamanitra no antenainy hamaly izay mampahory azy.
Ahitsio