Dikan'ny teny : biby

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Anarana ilazana ny zavamananaina tsY manantsaina, raha faritana ankapobeny: Ny omby dia anisan' ny biby manampy betsaka ny olombelona. H. i.: Enti-milaza toetra ambany sy maharikoriko: Biby marina raha i NĂ©ron fa ny reny niteraka azy no nde halentiny any anaty rano. - t.i.f.: Bibina 1 bibibiby, mibibibiby 1 habibiana. - F.-p.: Bibim-bars: Bibikely manimba ny vars', haombary, / Bibim-bomanga, bibin-tsaonjo: bibikely mihinana ny ravim-bomanga na ny ravin-tsaonjo; miofo ho lolo izy ireo. j Bibin'andriana: enti-milaza ireo olo-mainty vavy tsara tarehy nalain'ny andriana fahiny ho vady taindranony. / Bibin-dandy: biby mpamorona ny landy rehefa miombo ho landY. / Bibin-kena: ireo bibikely hita ao amin'ny rorohan-kena. / Bibin' olona (olona biby): olona sahisahy tsy matahotra n'inona n'inona / Biby dia: Biby tsy voatanan'ny olombelona ka mivelona any an' ala any. / Biby manompo, na biby fiompy: biby manampy ny olombelona amin'ny lahasany na ataony sakafo, ka velominy sy karakarainy ary mipetraka tsy lavitra ny fonenany na ao an-tranony mihitsy aza. / Biby olona: lalaon'ny ankizy izay ahitana iray amin'izy ireo mifono ahitra toy ny biby mandehandeha mampitahotra ny hafa. / Fanahim-biby: toetra ambany sy maharikoriko tsy mahalala menatra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel