Dikan'ny teny : bila

Hampiditra dikany vaovao
1 (Btl) p. t.: Tandrok'omby hafahafa fa ny ilany mahitsy mila hiondrika, ny ilany kosa miolaka. Ahitsio
2 p. t.: Tsy mahitsy fa mivilana: Bila ny tongotr'itti latabatra it? fa ahitsio. ΒΆ M. h.: bilabila, bilaka, vila, vilaka, vilana, bingo. - t.i.f.: Bilaina, voabila / mikobila, Ahitsio
3 a: Aretina tsy fanta-pototra loatra, noheverin'ny sasany ho aretin-tsaina amam-panahy; ny sasany kosa nihevitra azy ho fanindrian-javatra na ny ambiroan'ny maty: toa manavinavy no fiandohan'ny aretina, dia marary andoha, dia fanina dia mena ny maso, ary dia tonga verivery ny sain'ilay marary ary mihoalahoala sy mienjika izy ka amin'izay dia toa mahavita zavatra tsy vitan'olona tsotra, toy ny mandihy miloloha siny feno rano nefa tsy raraka ny rano... Ny fitsaboana ny bila dia itehafana, miaraka amin'ny vely vy sy ampongatapaka... Nanana anarana samy hafa saika isampoko ny bilo: Ramanenjana na Soratra (Imerina), Salamanga (Betsileo), Tromba (Sakalava, Tsimihety). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel