Dikan'ny teny : bongo

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Hazo madinika akana heza fampandairana loko. Ahitsio
2 a: Trano na lava-boalavo ipetrahany. Ahitsio
3 p. t.: Enti-milaza ny tarehy na ny maso toa mivonto mivindimbindina: Bongo endrika izy. / Bongo maso ny zandrinao fa mahery mitomany. * Ohab.: Vivy nanitrika ka bongo mason'ny nahiny (ny sitrapony): enti-milaza nY olona voan'ny nataon'ny sitrapony ihany, nandrora mitsilany. Ahitsio
4 (Ski) a: Fitsimponana ny sisa tsy voaotin'ny mpioty kabaro. Ahitsio
5 a.: Sombin-tany mivaingana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel