Dikan'ny teny : didy

Hampiditra dikany vaovao
1 a. : Fizarazarana zavatra mivaingana amin'ny zava-maranitra toy ny antsy; rasa, tetika, kapa : Ataovy didy sompirana ny hena. * Fana-Pahana lamba hanaovana akanjo : Tsy tiako it? didy akanjonao ity, ~ Lalàna, fitsipika, baiko : Toy izao ny didin'ny fikambananay ka asa raha hiditra ianao. - t.i.f. : Adidy, didiana, voadidy, dinidy / mandidy, fandidy, mpandidy / andidiana, fandidiana / mididy, fididy 1 mahadidy / didididy, a F,-p, : Didy ambony uakono : didy atao na omena tsy nierana amin'ny lehibe na manohitra ny baikony. / Didy boraingona : didy atao jadona tsy azo valiana fa tsy maintsy arahina; didy atao jadona amin-kery, / Didy foitra : fandidiana ny nofo manarona ny tendron'ny filahian'ny ankizilahy kelY. ¶ M. h.: Fora, fandidiam-poitra, fanikinan ]aza, hasoavana, / Didy kitapo, didy kilaosy : fomba didin'akanjom-behivavy miendrika kitapo na lakolosy / Didy lamba : fandidian'ny mpangalatra fahiny ny lamba, ny zoron-damba namonosan'ny olona ny volany, ¶ M.h, : Fangaronam-paosy ankehitriny, / Didy maty : didy efa tsy arahina intsony, / Didy miafina : didim-pananana atao tsy fantatry ny mpandova fa rehefa maty ilay tompom-pananana vao ampahafantarina azy, / Didy velona: didy mbola manan-kery./ Didim-pananana : fepetra an-tsoratra ataon'ny olona iray momba ny fandovana ny fananany araks izay tiany. / Didim-pitsarana : fanapahan-kevitra ataon'ny mpitsara hanafahana na hanamelohana olona voampanga. / Didin'andriana : tanin' andriana. / Didin-drazana : fomba nataon'ny razana. / Didin-tany : fomban-tany, / Didin-tsokina : aretina amin' ny fanambanin'ny rantsantongotra, / Didiko fe lehibe : didy tsy azo valiana na manao ahoana na manao ahoana, tsy firaharahana ny hevitry ny hafa amin9zay atao. ¶ M.h. : Teniko fe lehibe, didy boraingona. Ahitsio
2 a. : Aretina mpahazo ny maso izay mahatonga ny hodimaso hiraikitra ka tsy afamihiratra tsars : Indroa andro izao no didy ny mason' Ibalita kely. * Ohab. : Didy maso tsara ondana : matory manana aretina : ilazana olona manana aretina na misy mahavoa azy, nefa misY zavatra mahasondriana azY ka mipetrapetraka tsy manahY na inona na inona izy. • A-retina mPahazo ny tongotra, izay mamPisy tataka kely amin'ny elanelan'nY rantsana; ny tena ilazana io aretina io anefa dia hoe didintsokina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel