Dikan'ny teny : dihy

Hampiditra dikany vaovao
1 a : Fampisehoam-pihetsehana ataon'ny tena manontolo : loha, tanna, tongotra, ary indraindraY koa aza ny vatana, mba hanehoana fifaliana. - t.i.f. : Dihizina na dihizana / mandihy, fandihy, mpandihy I andihizana, fandihizana. - F.-p. : Dihy be : dihy miara-be. / Dihy uazaha : dihY nentin'ny Vazaha ary narnpianarinY, / Dihy gasy : dihY nentim-paharazana malagasy : mandeha irery samy ma-ka ho azy ny mPandihY ka mitsaikona na mamindra, manipy sandry, mandataidrantsana na manetsika ny soroka amim-pahaldngana. / Dihim-bavy : dihy izay ny tanana no manana anjara be indrindra aminy. / Dihin-dahy : dihy izay ny tongotra no manana anjara be indrindra aminy. / Dihim-bazaha : kilalao fanaon'ny ankizivavy : mitsambikina amin'ny tady izay ahoatra ny loha ary ampandalovina ambanin'ny tongotra. / Dihy mihoa-bonga : fanambatambazana izaitsizy, omban'ny hevitra hamitaka. / Dihy ualotra : dihy nampianarin'ny vazaha ka nalaza fahizay tao an-dRova, nisy karazany ma-ro, toy ny Vorombola, Toamasina, Manjakamiadana... ¶ M.h. : tsinjaka, sahoby, totorebika, tsipisandry, velatanana, dihy soroka, dada, jaiko, soamaroroka, tsaramiera, soratra, afindrafindrao, salegY• Ahitsio
2 a. : Toetran'ny fanidin' ny vorona eny amin'ny habakabaka raha tsy mihetsika na mikopaka ny elany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel