Dikan'ny teny : dona

Hampiditra dikany vaovao
1 Dondbna a. : Poka, fifampipaihan-javatra roa; kapoka, vely. - t.i.f. : Donna, adona, voadona I mandona, mandondona, fandona, mpandona / andondonana, fandondonana / midona, fidona, mpidona / idonana, fidonana. ~ F.-p. : Don-tany : fiampangana olona mivantana izao ho nanao zavatra iraY, loba hitsapana azy na nanao tokoa na tsia, kapo-tandroka. I Don-tandroka : teny fampitahorana atao amin'ny osa, saro-tahotra.., mba hahatonga azy hamboraka ny ao ampony na hanaiky lembenana, fomba mazàna amPiasain'ny mpaka am-bavany. / Don-tokana : kotrok'orana indray mandeha monja, mahatonga fihetseham-po malahelohelo. / Don-davitra : kotrok'orana any lavitra mahatonga hanembonembona ny havana tsy eo anatrehana. Ahitsio
2 a. : Fipaika, izay entimilaza amin'ny daomy fa tsy manana ny masom-bato mitovy amin'izay miseho ny mpilalao, ka ny mpilalao manaraka no mandeha (Jar. Daomy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel