Dikan'ny teny : donto

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t. : Tsy mandre tsara fa marenindrenina : Donto mihitsy ny sofin'io zaza io : intelo izy no antsoina vao mahare. • Dombo ny lelany na bontolo ny lohany : Donto ity fandraka • H.i. : Tsy mora mandray fampianarana : Donto velona izany raha zaza : telo volana vao mahay abidy. • Enti-milaza ny vilany izay maharitra elaela vao tanteraky ny hafanana : Ario any io vilany io fa donto izaitsizy : adiny iray vao mahamasa-bary. - t.i.f. : Dontoina, voadonto ( manadonto, fanadonto, mpanadonto) anadontoana, fanadontoana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel