Dikan'ny teny : ela

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t. : Be taon, zoky : Ela kokoa ianao noho i dada. / E-fa ela dia ela it? hazo ity izany. 1 Mijanona maharitra : Nahoana no ela tany an-tsena ianao? /p,mt. : Tsy haingana : Ela uao vita ny sakafonareo izany. / Maharitra fotoana lava : Velona ela, hono, ny uoay. - t.i.f. : Elaina / manela, fanela, mpanela J anelana, fanelana J mahela, fahelana. - F.-p. : Ela ny ela : enti-milaza zavatra tonga na niseho rehefa nandrasana naharitra : Ela ny ela ka tonga ny fahaleovan-tena. / Ny ela mahareroy (na maharay roa) : ny fitoerana amin'ny toerana iray ela be na ny fiasana amin'ny zavatra iray maharitra dia mahatonga tsy hahomby intsony. /Izay ela be tsy faingana izay : enti-milaza fotoana maharitra aoka izany, l Ela fanao zauatra : votsa fanao zavatra, j Tay tontan'ny ela : enti-milaza zavatra mafy tsy simban'ny andro sy ny tanna. / Ho ela velona anie : enti-mirary fahavelomana, faharetan-javatra lava dia lava. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel