Dikan'ny teny : entina

Hampiditra dikany vaovao
1 mt. ih, (ento): Ilazana zavatra vimbinina na sakelehina na babena na lolohavina... ka afindra toerana miaraka amin'ny tena: Enta a-t? ny solomasoko, / Efa nentiny am-babena nankany amin'ny hopitaly ny zanany, ? Lasa, paohina: Nentin'ilay kary iny ny satroko, / Nentin'ny rivotra ny tafontrano, • Fehezina: Entin'ny fanjakana ny vahoaka. ? Anaovana: Akanjo madio no entin' ny olona amin'ny andro fety. ? Ampiasaina: Famaky no entiny mikapa taolana. * Fiten.: Entim-bavy: ilazana ny lehilahy baikoin'ny vavy ao an-tokantrano. / Entim-pahazarana: tsy mandeha ara-tsitrapo fa manaraka ny efa mahazatra fotsiny. / Fanjakana entim-bahoaka: fanjakana mijoro izay ny vahoaka no mitondra azy amin'ny aalalan'ny fifidianana an'izay hitarika sy hifehy. / Faty entin'alina: olona tsy mahalala izay itondrana azy akory. / Ganagana entina amin'ny tendany: ilazana ny olona tsy manan-tsitrapo fa izay itondrana azy dia alehany. / Nentim-paharazana: narahina hatramin'ny andron'ny razana. * Ohab.: Izay entim-belona enti-maty: ny toetra nananana tamin'ny andro niainana ihany no mbola tanana rehefa ho faty. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel