Dikan'ny teny : fahana

Hampiditra dikany vaovao
1 a. • Sakafo omem-bahiny. ? Hanina, sakafo : A-taouy tsara fahana ny zazakely. ? Anjara hanina : Ento ny fahan-kisoa homena azy. ? Ilay zavatra mampipoaka ny basy, ny tafondro : Fahan-tafondro. / Saika loza fa, hay, mbola nisy fahany ilay basy. ? Ny hery ananan' ny vimiaina mampandeha ny famantaranandro : Tsy ampy fahana ny famantaranandronao matoa nijanona sahady. ? Ilay kofehy mifampiditra amin'ny tenan'ny tenona mba haha-lamba azy, (ka ny fahana mitsivalana fa ny tenany mitsangana) : Ny jabo dia lamba rofia, izay ny fahany landihazo! - t.i.f. : Fahanana, afahana, voafahana / mamahana, famahana, mpamahana / amahanana, famahanana / mifahana, fifahana, mpifahana / ifahanana, fifahanana / mahafahana. - F.-p, : Alim-pahana : fotoana isian'ny fahana ao anaty basy, tafondro; fotoana iandrasan'ny vahiny ny sakafo aroso azy. / Mialim-pahana: miandry handrosoana sakafo. / Faham-bainga: tamboho na rindrina vita amin'ny bainga mafy sy makadiry, / Fahan-tenany : enti-milaza ny lamba izay karazana iraY ihany ny tenany sy ny fahany. / Lany fahana : tapitra ny herin'ny fahana nomena azy, toy ny famantaranandro mijanona izany. / Maty fahana : fiteny amin'ny basy na tafondro tsy mipoaka, na amin'ny fanambadiana izay tapaka ny fatorana naxnpikambana ny mpivady. Ahitsio
2 a. : Tohana eo ivelan' ny zavatra ixay mba hananany hery bebe kokoa. ? Fifikirana amin'ny zavatra, fanankinana mafy ny tongotra mba tsy hianjera. - t.i.f. : Afahana, voafahana tafafahana / mamahana, famahana, mpamahana / amahanana, famahanana / mifahana, fifahana, mpifahana / lfahanana, fifahanana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel