Dikan'ny teny : fanafana

Hampiditra dikany vaovao
1 (afana) a. : Zavatra entina hanalana na hanalavitana ny loza atahorana hahavoa na ny aretina efa mahavoa mihitsy aza : Ny atao hoe fanafody dia tsy inona fa fanafana ny loza mety hateraky ny ody mahery. - F,-p, : Tsy azom-panafana : tsy azo sitranina. * Ohab. : Ny tsiny azo sorohina, fa ny tody tsy misy fanafana : Enti-milaza fa ny tsiny dia azo alana raha mis-la tsiny ianao, fa ny tody kosa tsy maintsy mihatra satria, noho ny maha-vaiin'ny ratsy natao azy, dia tsy azo sakanana izy, toy ny ako tsy maintsy mamerina ny feo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel