Dikan'ny teny : fitsarana

Hampiditra dikany vaovao
1 (tsara) a.: Asan'ny saina manavaka ny marina sy ny diso, ny tsara sy ny ratsy; fandanjalanjana ny mety sy ny tsy mety: Aoka tsy hiady hevitra firy ianareo fa samy manana ny fitsarany zavatra ny olona rehetra. ? Fahefana napetraky ny fanjakana mampiseho izay rariny sy hitsiny amin'ny alalan'ny f andinihana sy fampiharana ny lalàna manamarina na manameloka: Efa niakatra fitsarana ny raharahan-dry Rabe sy Ranaivo. ? Toerana anaovana io fitsarana io: Laso eny amui' ny Fitsarana i dada. ? Anarana nomena ny tangena fahizay. Misy ambaratonga telo ny fitsarana: ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Fitsarana ambony (azon'izay resy tamin'ny voalohany angatahina hitsarana azy indray), ary ny fitsarana tampony (azon'izay resy tamin' ny faharoa angatahina hitsarana azy farany). Ny arao hoe Fitsarana atm) kosa dia ny antoko-mpitsara miandraikitra ny fampanoavana ny Lalàm-dranorenana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel