Dikan'ny teny : fo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Taova vongana iray ao anaty tratra havia, azo heverina ho fototry ny aine noho izy mampandeha ny ra eran' I ny tena amin'ny fitepony j tsY an-kijanona: Lehibe ohatra ny totohondrin'ny tsirairay hono ny fon'olombelona. (Misy tsipika lampons iray mizara ny fo ho ilany havia sy havanana, izay misaraka tsy misy ifandraisany, fa ny ilany iray avy kosa in-, dray aamy mizara roa ahitana sofimpo ambony ary vatampo ambany, ka ireo efitra ambony sy ambany ireo no mifandray amin'ny alalan' ny valviola izay tsy mamela ny ra hiverin-dalana). ~ H.o,: Foiben'ny fshetseham-panahy tsaroan'ny olombelona rehefa faly na malahelo na matahotra na mangoraka, na tia na mankahala...: Olona mora entin'ny fo ny Malagasy. - t.i.f.: Foizana, ampoizina / manampo, fanampo / anampoizana, fanampoizana. - F.-p.: Be fo: enti-katezerana amin'ny rariny. /Entimpo: misafoaka. /Iray fo amy: miombom - pihetseham - po (hafaliana na alahelo) amy... / Iray tam-po: enti-milaza ny zaza iray reny na koa taranaka iray fiaviana. 1 Mamy fo velona: fitiavan-tena mihoapampana. / Mono me fo: mambosy, mamporisika, mitarika, mamoky. / Fo adalo: olona matim-pitia, raiki-pitia, lefaka. / Fo afaka tsy ananan-tsiny: rehefa manao izay vita tsy tokony hahazo tsiny intsony. / Fo emboka: fo miovaova ka ny alahelo avy no vetivety foana dia misava. / Fo lavanan'andro: lolompo lalim-paka ary maharitra. / Fo lentika: lolompo maharitra. / Fom-biby: olona lozabe tsy mifaditrovana. / Fo mivonto: fo feno hatezerana, lolompo. / Fon' Itrimo: olona masiaka lozabe. / Fon-kary: hasarotampo, halozana izaitsizy. /Fon' ny mpanefy: olona mora tezitra. / Fon'ny mpifoka rongony: (mit. amin'ny fon-kary) / Fon'olona: fo mangoraka, mitsetra ny ory. / Fo vato: fo tsy mangoraka, fo tsy mitsetra. / Fo vomanga masaka: Fo mora tohina izaitsizy, mora mihontsona aoka izany. / Mafy fo: der. fo vato). / Tsongoy fon-tena tsongoy fon'olona: arakaraka ny tenanao no tokony hitsaranao ny sasany. / Fo milafikarena: tsy mitsitsy tena na kely aza amin'ny fihariana, amin'ny fitadiavan-karen; matoky ny haren ananana ka sahy manao na inona inona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel