Dikan'ny teny : foana

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: 1 Tsy misy na inona na inona ao anatiny, babangoana: Tanàna foana. 2 Tsy misy vidiny; tsy misy lanjany; maivana; tsinontsinona: Hevi-poana izany. 3 Heverina ho toy ny tsy misy antony, tsy azo ekena, tsy manana ny maha-ara-dalàna azy: Foana ny fangatahanao, / Foana ny fanambadiany sa-tria noterena razazavavy. 4 * ary daholo, levona: Foana ny haren-dRakoto. ¶ M.h.: Lany, Jifa, majifa, fongana, tapitra. ~ Tsy tanteraka:Foana ny fikosako noho io loza tsy nampoizina io, 1 p,mt.: Tsy misy vokany: Manasatena foana ianao manao an' io fa tsy raharahain'ny ankizy akory. 2 p,mt.: Tsy an-kijanona: Miasa foana izy na marary aza.. * F.-p.: Maimaim-poana: tsy vidina, tsy andoavam-bola: Omeko anao maimaim-poana iny boky iny. / Manaonao foano: manao kitoatoa, tsy misy fiheverana. / Miteniteny foana: milaza zavatra tsisy heviny. / Zava-poana: zavatra tsinontsinona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel