Dikan'ny teny : fofona

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Vokatry ny fandrenesan'ny orona avy amin'ny poti-javatra faran'izay kitika kely tsy hita-maso izay miala avy amin'ny zavatra iray ka entin'ny rivotra ary tonga mikasika ny hozatra manify manemitra ny aty orona: Misy fofon-javatra Io izany. 1 H.i,: Etona: Misy fofon-tany midofaka eto izany. 1 Hamanitra na hamaimbo: Mandraraka ny fofon'ireo vonindraozy ireo, 1 H,o.: Laza soa na laza ratsy: Mandre fofondratsy momba anao aho. / Vao nandre ny fofony ny fahavalo dia riatra nandositra. - t.i.f.: Fofona, voafofona / mamofona, famofona, mpamofona 1 amofonana, famofonana / fofompofona. - F,-p,: Fofon'aina: rivotra mivoaka amin'ny oron'ny olona na biby, avy manadio ny ra ao amin'ny havokavony ka matetika fanamarinana fa mbola velona misy aina ilay lzy. /Fofon-drano:etondrano, etona avy amin'ny rano nampangotrahina, f Afapofona: afa-baraka. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel