Dikan'ny teny : foitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a,: Holatra boribory eo afovoan'ny kibo, vokatry ny nanapahana ny tady nifandraisan'ny reny tamin-janany tamin'ny nitondrany azy tao am-bohoka, - F.-p.: Didy foitra: a) Fandidiana, eo am-pahaterahan' ny zaza, an'ilay tady nifandraisany tamin-dreniny nandritra ny mbola naha-tao ankibo azy, b) Famorana. /Foikazo: tonon'ny hazo izay miforona eo amin'ny toerana nisy rantsana tapaka. / Foitr'ampinga: ilay boribory mivohitra eo afovoan'ny ampinga. / Foi-jaza; foibe (jar. ireo teny ireo) / Foitra tao-ho: foitra any an-damosina, zavatra tsY mety hisy, tsY azo heverina: Foitra ivoho izany, Rangahy ity a! ΒΆ M.h.: Gisa mainty. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel