Dikan'ny teny : folaka

Hampiditra dikany vaovao
1 p.t.: Miforitra, mioritra: Folaka ilay hazo fa tsy tapaka akory / Nianjera ny zandriko ka folaka ny tongony. • Hendry: Tsy mbola folaka io omby io fa tandremo. • Mihena hery, tony: Rehefa folaka ny andro, mitsoka ny tsiodriootra • Mitony: Folaka ny hatezerany ka mahazo miresaka aminy ianao. ? Resy, tsy manao intsony: Efa folaka amin'ny fisotroana Rakoto. - t.i.f.: Folahina, afolaka, voafolaka, finolaka 1 mamolaka, famolaka, mpamolaka 1 amolahana, famolahana / mifolaka. ¶ M.h.: Pitsoka, mioritra, mipika, mivika, miolana, miholaitra, mihodivitra, maninta, tapaka. - Fola-banga na Folabarotra: fampihenam-bidy ataon'ny mpivarotra. / Folabango: anisan'ny bango volon'ny Ntaolo raha misaona izy. ? H.o.: enti-milaza ny tsy maintsy itenenan'ny mana-manjo eo amin'ny fandevenana ny havany, indrindra raha ray aman-dreny hajaina no Lasa. / Fola-bauiaty: marary valahana, / Fola-damosina: folaka toa tsy afaka mitraka ny lamosina. 1 H.o.: Reraka noho ny fikarakarana (fibabena) ny zaza notezaina. / Fola-drairay: afa-po tsy manan-javatra hotsiriritina intsony. / Folaka an-dantony: maty tanora, lasa vao herotrerony. / Folaka andro: amin'ilay fotoana ahitana ny masoandro mandrorona midina miankandrefana, eo anelanelan'ny amin'ny 3 sy amin'ny 4 ora hariva. / Folaka andry niankinana: enti-milaza olona izay maty ny nikarakara azy na nianteherany, ny nanohana azy. ¶ M. h.: Toro vato nandiavana. / Fola-mandefitra: tapaka eo ampandeferana, izany hoe maty noho ny fandeferana, noho ny fanekena ny sitrapon'ny hafa. * Ohab.: Ny tsihy no foia-mandefitra fa ny olona tsy fola-mandefitra: tsy mampaninona ny olona manam-panahy ny mandefitra. / Fola-tana-manondro: diso fitokiana, voafitaky ny olona nitokiana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel