Dikan'ny teny : fomba

Hampiditra dikany vaovao
1 (omba) a.: Fiaraka mandeha, fanotrona. • Fitambaran'ny toetra fototra mitory ny maha-izy ny o10-na na zavatra iray: Fomban' ny olombelona ny mieritreritra. / Tsy misy mahalala tanteraka ny fomban'Andriamanitra. 1 Fanao tsy misaraka amin'ny maha-izy ny zavatra iray: Fomban'ny miaramila ny mandeha miady. 1 Fanaovan-javatra, fanao ampiasaina: Samy hafa ny fomba fandrefesana taloha sy ankehitriny. • Toetra mahazatra entina miens, fahazarana: Samy manana ny fombany ny firenena. / Aza taitra ianao amin'ny afitsok' io Rangahy io fa fombany izany. - Fomban-drazana: fanaon'ny Razana izay arahin'ny taranaka mifandimby, mikasika indrindra ny fotoan-dehibe eo amin'ny fiai-nana, toy ny raha misy tara-ka na manambady na maty... / Mahalala fomba: mahafantatra ka manaraka ny fitsipiky ny fifanajana eo amin'ny fiaraha-monina. /Ary fomba: enti-milaza zavatra izay ma-nana ny maha-izy azy rehetra. ¶ M.h.: Fanao, fahazarana, sata, riba, fenitra, filatro, filamatra, fihetsehan, fihetsika, famindra. Fomban-drazana: ko-drazana, rohi-drazana, farahatoka, akanjon-goaika, tandroka niaraka amantsofina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel