Dikan'ny teny : fotoana

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Faharetana voamarlky ny fifandimbiasan' ny andro sy ny alina, ny tao-na, ny zava-dehibe nitranga: Tamin'ny fotoana nanjakan' Andrianampoinimerina no nandroso fatratra ny teto 1-marina. 1 Andro: Be loatra ny asa ka mila tsy hanampotoana hisakafoana akory aho. 1 Paik'andro, fetr'andro: Tonga ny fotoana handoauanao ny uolako ka omeo aza fady. 1 Tapak'andro, ors nifanaovana, nifanarahana hihaonana: Tamin'ny telo no fotoananay nefa mbola tsi tonga ihany izy. ? Fizarantaona fanaovana asa, taozavatra: Fotoana fanetsana izao. - t.i.f.: Fotoanina / mamotoana, famotoana, mpamotoana / ifamotoanana, fifamotoanana / mifamotoana. - F.-p.: Mifanao fotoana: mifanaraka fa hihaona amin'ny fotoana iray, / Fotoan'Itsieuina: fotoana diso noho ny tsy fahazoan-teny. / Fotoam-borozano (manao): tsy tonga amin'ny fotoana marina fa amin'izay fotoana tiana hahatongavana. / Diso fotoana: tsy tonga amin'ny fotoana marina. / Fo toan- tsarotra: fotoana be fahasahiranana diavina. / Fotoa-maty: fotoana efa raikitra tsy azo ovana intsony (toy ny fahafatesana). ( Fotoan'andro: andro voatendry (hanaovanjavatra). f Fe-potoana (fetra fotoana): faharetam-potoana. / Vanim-potoana: fepotoana lehibe, malaza. * Ohab.: Fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona: na dia fotoana efa raikitra izao aza dia mety tsy ho tanteraka rehefa tonga ny sampona. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel