Dikan'ny teny : fototra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Antony voalohany nahatonga, niaviana: Andriamanitra no fototry ny soa rehetra. / Tsy fahampian-tsakafo no fototry ny aretiny. • Loharano niaviana, niandohana: Ratsizehena sy Ramianoka no fototry ny fianakavianay. ? Faka, fanorenana: Manapa-kazo amin'ny fotony. / Mianjera ny trano raha tsy mafy orina ny fotony. • Antony:Inona no fototra tsy itiavana azy? •Ny lafy ijadonan'ny haavo amin' ny sary maxolafy. - t.i.f.: Fotorana na fotorina, voafototra / mamototra, famototra, mpamototra / amotorana, famotorana / mifototra, fifototra, mpifototra / ifotorana, fifotorana / mahafototra. - Any am-potony: any amin'ny niandohany, niaviany. /Am-poto-moty: akaiky dia akaiky efa mila hitehika mihitsy. / Iray fototra, roa fototra: entl-milazafomba fanisana atody izay mandeha tsitelotelo, iray fototra: atody telo; roa fototra: atody enina... / Masaka ifotony: enti-milaza voankazo masaka hatreny am-potony fa tsy mba naotrika. / Foto-bolo: fakan'ny volo, volo iray fehezana rehefa randranina. / Foto-kavana: havana akaiky dia akaiky. J Foto-pe: ny faritra ambony amin'ny fe. / Fototeny: teny niavian'ny teny hafa (oh.: tolotra no fototeny niavian'ny hoe: manolotra). /Fototr'aretina: antony nahatonga ny aretina iray. / Fototr'elany: tonontaolana voalohany amin'ny elatry ny vorona. / Fototr' olona: enti-milaza: 1) ny razam-be niaviana; 2) olona tsara mendrika faka taranaka, / Foto-tsarika: ny tsiratsirak'akondao izay anaovana ny lampa atao hoe lamba sarika. 1 H,o.: Asa fanamboarana ireo tsiratsiraka ireo ho lamba izay tsy dia nana fahaizana firy. * Fiten.: Tsy mahay foto-tsarika: olona tsy mahay na inona na inona. / Fo to- tsofina: faritra ipetahan'ny sofina amin'ny loba. / Foto-tsoroka na fototsandry: faritra mampitohy ny sandry amin'ny vatana. / Ranom-pototra: ny faikafaikany sisa avy amin'ny fanasitiliana ny ranom-pary voalohany izay mbola afangaro indray amin'ny ranom-pary hositiliana fanindroany. * Ohâb.: Foto-kazo sy vorona ka izay manina no manatona: enti-milaza fa raha misy fiangaviana olona dia ilay mila fanampiana no tokony hanatona fa tsy ilay mpanampy iangaviana akory. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel