Dikan'ny teny : hady

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Lavaka vita-Nanahary na nohadina tomandavana mba hikorianan'ny riaka na hiarovana ny vohitra amin'ny fahavalo na hambolen-javatra tia mandomando nefa tsy tia rivotra; tevana. - t.i.f.: Hadina, ahady, voahady / mangady, fangady (tsy fiteny firy anefa ireo), mihady, fihady, mpihady / ihadiana, fihadiana / mahahady 1 hadihady / manadihady, fanadihady, mpanadihady / anadihadiana, fanadihadiana / mahahadihady. a F.-p.: An- k ad in- kary : filazana hady misy lobolobo fonenan'ny kary, ary enti-milaza toerana any an-dakira lavitra any. f Hadin-drano: lava-drano ao anaty hady; entina milaza koa ny tamby omen'ny vehivavy izay te hisaraka amin'ny vadiny. /Hady fetsy: hady tsy mba lehibe, fa fisakanana ny biby tsy hiampita any ivelan'ny vohitra, na hady ahazoana mivoaka sy miditra izaY tsy fantatry ny vahiny, / Hady fito sosona: entina milaza ny fiarovana mafy ananan'ny vohitra na ny manda. / Hady tapaka: hady nikororosy nanjary iva ka nataon'ny rehetra lalana. / Hady voanjo: entina milaza fampitandremana (sao tsy mahalala ny mena ravina hakofoka). /Hady vory: ilazana ny lavaka na tatatra lalina natao manodidina ny tanàna nonenana mba tsy ho azon'ny fahavalo idirana. / Latsaka an-kady: potraka an-tevana. • H.o,: Enti-milaza ny olona voan'ny fahavoazana ara-karena. / Tsy nataonareo vato latsaka an-kady izahay: teny ataon'ny olona vangiana manlo amin' ny mpamangy mba hilazana fa tsy nariany tamin'ny fahoriana nahazo azy izy. * Ohab.: Hady vomangan'I-kirijavola ka ny voamasony no potsirina: midinika na miresaka momba ny raharaha iray, ka manao izany a,vy hatrany tsy misy fiolakolahana. / Hady vory faritan-tsy honenana: enti-milaza famaritan-javatra na toerana tsy an' ny tena akory. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel