Dikan'ny teny : haingo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Zavatra apetaka amin'ny akanjo na entina eny amfn'ny tena mba hahatonga ny tena ho tsara jerena: Mahafinaritra ny haingon'akanjonao. ? Izay rehetra entina handravahana zavatra, ary na dia hatramin' ny ara- tsaina sy ara-panahy aza: Ho haingon' ny tokantranoko no hiuidianako io fanaka io. / Be haingo loatra ny lahateniny. 1 t. L f.: Haingoina, ahaingo, voahaingo 1 mihaingo, f ihaingo, mpihaingo 1 ihaingoana, fihaingoana 1 mahahaingo 1 haingohaingo. - F.-p.: Farahaingo: izay heverina ho tsara Indrindra amin'ny haingo ka anaovana amin'ny fotoana malaza. / Manao haingo ambon), tsikoko: ilazana ireo miraratra ivelany nefa voretra sy maloto any anatiny ka tonga tsy misy hasiny ny tenany sy ny hasoan'ny fitafiana anaovany. / Haingo diso an'Iariuo: entina milaza ny haingo na ny zavatra kanto, izay diso toerana na efa lasa ny fotoana tokony hisehoany. /Haingon'adala: fihaingoana tafahoatra ka tsy mifanentana amin'ny taonan'ny tena na ny toetr'andro. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel