Dikan'ny teny : handrina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny misolampilampy eo ambony maso, izany hoe ilay faritra anoloana amin'ny tarehy, manomboka eo amin'ny manjamaso no ho miakatra ka hatramin'ny fiandohan'ny volon-doha: Voadona ny handriko. é t, i,f.: Handrinina, ahandrina, voahandrina, tafabandrina f manandrina, fanandrina, mpanandrina / anandrinana, fanandrinana f mihandrina, fihandrina, mpihandrina / ihandrinana, fihandrinana I mahandrina / handrinkandrina / manandrinkandrina. - F,-p.: Ndondon-kandrina: manana handrina malalaka ary mitatao. / Fohy handrina: tery handrina fa tsy mba solampy na mazava ray. / Me-na handrina: entina milaza fahefana tsy matahotra hifanandrina. / Tampin-kandrina: ny handrina manoloana. / Manao an-kandrina: mandaha-teny ka teny tsy nomanina fa eo vao eritreretina no lazaina. f Handrin-tany: entina milaza ny tokotany sy ny lalana izay mafy sy tsy mba maniry ahitra noho izy diavina matetika. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel