Dikan'ny teny : hasina

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Hery ananan'ny zavatra iray: Misy hasina mahasitrana aretina maro ity hazo • Toetra ambony tsy azo tsiratsiraina, manome hery na fahefana mihoatra ny toetran'olombelona: Manankasina ny tanindrazana. / Ninoan'ny Malagasy ny hasin' ny Mpanjaka. 1 Haja, hamendrehana ananan'ny tsirairay: Maty hasina aho fa nodikain' ilay iny ny lohako. 1 Sira: Tsy ampy hasina ny laoka. - t.i.f.: Hasinina, ahasina, voahasina 1 manasina 1 mihasina / masina / hamasinina / ankamasinina / voamasina / manamasina, fanamasina, mankamasina, fankamasina / anamasinana, fanamasinana / ankamaainana, fankamasinana / mahamasina / fahamasinana / fanasina 1 fihasina. ¶ M,h.: Hery, zo, sata, fandaitra. Ahitsio
2 a.: Vola na zavatra ha-fa atao fanomezana amin'ny fotoana na toe-javatra sasantsasany: Hasin-jaza, Hasin-tanana. 1 Vola tsy vaky atolotra ny mpanjaka amin'ny fandroana ho fankatoavana ny maha-andriamanjaka azy: Niakatra tany an-d roua nanolotra ny hasina ho an'ny Mpanjaka isam-pirenena ny vahoaka ~ Vola nomena ny mpanjaka raha nisy raharaha toy ny fifampivarotana, ny fananganana na fanarianjaza... teo amin'ny fokonolona: Vola roa karazana no no-m en'izay nanan-d raharaha natao teo amin'ny fokonolona, dia ny hasina ho an'ny Andriamanjaka ary ny orimbato ho an'ny fokonolona - t.i.f.: Hasinina, ahasina / manasina, fanasina, mpanasina / anasinana, fanasinana. - F,-p.: Hasin'Andriana: ny volatsivaky nomena ny Mpanjaka. / Hasin-jaza: ny vola nomena ny zaza nalam-bolo voalohany na natao hasoavana. / Hasin-tanana: ilazana ny vola nomena ny mpitsabo nitsabo ny tena. / Rano voahasina: rano nanaovana fombam-pivavahana nanamasinana azy. / Vary hasina: 1) simba ny hajany; 2) tonga tsinontsinona ary maharikoriko. Ahitsio
3 a.: Fanolanana zavatra, toy ny kofehy, tady; fampihevingevenana, fandrotsirotsiana. i Ahasina / manasina, fanasina, mpanasina / anasinana, fanasinana. Ahitsio
4 a.: Ny ilany iray amin' ireo toa efitrefitra mielakelaka na misaratsaraka amin'ny zavatra iray: Hasim-boasary. i ai. f.: Mihasinkasina. Ahitsio
5 a: Hazo tsy dia lehibe loatra, lava somary etiety velarana ny raviny, izay mitangorona eo amin'ny toerana iray, ka misandrahaka manodidina ny vatany (Dracoena augustofolia). Hazo fahita teo akaikin'ny fasam-bazimba na tamin'ny tanàna nonenan'ny Andriana fahiny koa ny hasina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel