Dikan'ny teny : havana

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Ireo olona misy fifandraisana noho ny razana iombonana na noho ny fanambadiana: Misaona izy fa misy havany matY. ? H.i.: Olona mifankatia amin'ny tena, sakaiza: Mandrosoa, tompoko; havana ianareo fa tsy olon-hafa - t.i.f.: Havanina, voahavana / manavana, fanavana, mpanavana f anavanana, fanavanana J mihavana j havangavans f havangavanina, voah9vangavana f manavangavana, fanavangavana, mpanavangavana / anavangavanana, fanavangavanana / mahahavangavana. - F,•p.: Havana akaiky: havana izay mifanakaiky ny fihavanany, toy ny iray tampo, ny zanaky ny iray tampo, sns... f Hauana mpanavangavana: enti-milaza ireo hava-na miavona ka manao tsinontsinona ireo havana ory na malahelo. I Havan-davitra: izay anaovana tetiarana lava be vao miseho ny maha-mpihavana I Havan-tetezina: mitovitovy amin'ny havan-davitra ihany, saingy efa tsy mifankahalala intsony raha tsy mifanazava maharitra. f Havana avy any Dilam bato: ireo zanaky ny Antalaotra nonina tao Dilambato (Zafimbazaha), izay fotsy ka nohamboin'ny olona ho havany raha misy nanamavo azy. / Havana raha misy patsa: havana tonga manatona raha manamanana ny tena fa mihataka kosa rehefa mahantra satria tsy misy soa ho azy.,/Kibo omby havana: fitiavana tsy manary, / Kibo tsy manary havana: entina milaza fihinanana sakafo any amin'ny havana na dia kely fotsiny ihany aza no tendrena. f Lafin-kavana: ny havana lavidavitra fa tsy ny mpiray tam-po na ny terak'olona iray. / Manao havan'ny lahy sy havan'ny vavy: enti-milaza ny mpivady miangatra amin'ny havany avy, ka ny an'ny tena hajaina fa ny an'ny iray kosa tsy raharahaina. / Manao havako tsY meloka: enti-milaza ny fiangarana ataon'ny lehibe mba tsy hanamelohana ny havany. f Manao voro-mitahy havana: enti-milaza tsY famaizana ny havana na ny fianakaviana na dia nahavita heloka aza. f Ory hava-manana: malahelo raha mahita havana manana na nambinina; enti-milaza koa ireo tsy mba tia ny hafa hisondrotra, na dia havana aza. J Voin-kava-mahatratra: izay mahazo ny havana dia mova tsy mikasika ny tena koa. / Voromanompo havana: enti-milaza ireo taranak'andriana ambony manoa ny Mpanjaka. ¶ M.h.: Sakelika, hazo tapaky ny sampy, halam-patana. (Teny voafaoka ao anatiny: razana, razam-be, kazaha, raibe, renibe, ray, reny, zanaka, rahalahy, anadahy, rahavavy, anabavy, rafozana (lahy, vavy), vinanto (lahy, vavy), anadahin-dreny, rahavavin-dreny, rahalahin-draY, anabavin-dray, zanak'olompirahalahy, zanak'olo-mpirahavavy, zanak'olo-mpiana dahy, zaodahy, zaobavy, zanak'anadahy, zanak'anabavy, zana-drahalahy, zanadrahavavy, zafy, zafin'ny mpirahalahy, zafin'ny mpirahavavy, zafin'ny mpianadahy, zafiafy, zafindohalika, zafinkitrokely, zafimpaladia, zafindria, zafitsitorana. * Ohab.: Ny havana ihany no manavangauana: ilazana ireo havana nanalavitra, na nanaratsy mihitsy aza nony nahazo vahana. / Raha ho faty aho, matesa Rahavana; Raha ho faty Rahavana, matesa ny omby: enti-milaza ny ambaratongam-pitiavana: ny tena aloha, vao ny havana ary izay vao ny fananana. f Raha soasoa no ataon-dRahavana, izaho irery mahatankadivory, roa lahy mahatana arivo: enti-milaza ny fitia mifamaly: raha soa no ataondRahavana, mba betsaka koa no mety ho vitako aminy. Ahitsio
2 a.: Fanatsikerana ny lavenona ao anaty fatana mba hirehetan'ny afo tsara. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel