Dikan'ny teny : hay

Hampiditra dikany vaovao
1 mt. ih: Azo, azo averina, fantatra (saingy ilazana indrindra zavatra ilana fianarana): Efa hainao va ilay tsianjery? (Ny hevitra fotsiny hoe "fantatra", tsy ilana fianarana, dia tsy fiteny loatra afatsy any an'indran-tany, na dia miha-mahazo vahana aza ankehitriny: Aiza ho aiza eto ny tranon-dRatsima, ry zaza? — Tsy haiko , tompoko), ? Fantatra ny fanaovana azy: Aoka hataoko fa raharaha haiko raha izany foana. ? Mety ho vita: Tsy mba hain'ny zanako, tompoko, ny mandainga. ? Azo, tanty: Tsy hay leferina ny hoso-dratsy avy amin'ny havants. ? Azo ifampiraharahana, azo akekezina: Tsy haiko io olona io fa ianao no aoka hiresaka aminy. ? Voafehy: Tsy hain' ny vadiny Rasoa. - t.i.f.: Haizina / mahay, fahaY, mpahay 1 ahaizana, fahaizana. Ahitsio
2 Tenim-piontanana: Enti-milaza fanontaniana: Hay! tonga sahady ianao! ? Entimilaza toa figagana noho ny fahatongavan-javatra na toejavatra tsy araka ny nampoizina:Natao hitsikitsika hivavahana, hay, Papango nipaoka ny akoho! Ahitsio
3 ft.: Hafanana, firehetana na fahamaizana vokatry ny afo na ny masoandro, doro: Hain-trano, hain-tanety; hain' andro (hainandro). - t.i.f.: May 1 maimaizina 1 hamaimaizana, Ahitsio
4 a.: Tanety na lohasaha ngazana tsy misy ala na ahitra lava fa efa nodorana. Ahitsio
5 a.: Fahaizana (teny miditra amin'ny famoronan-teny maromaro ka ny heviny hatrany dia hoe fahaizana, fahalalana). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel