Dikan'ny teny : hazo

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Anarana itambaran' ireo zavamaniry misy tahony vaventy sy makadiry: Betsaka ny hazo fa ny hazo fihinam-boa no tiako indrindra. ? H.o.: Mafy tsy azo alefitra, mahia kaozatra - F.-p.: Hazomalama: hazo lava sy mahitsy nohosorana menaka ary nasiana zavatra eny an-tendrony ka izay tafahanika eny dia mahazo amin'ireo. / Mandrefy hazo mitsangana: enti-milaza zava-tsarotra tsy mety ho vita. / Miani-kazo: miakatra amin' ny hazo maniry. / Migin-kazo: mihenahena velona. / Tokazo: hazo manirery. * Ohab.: Hazo avo halan-driuotra: der. Hala. /Hazo tokana tsy mba ala: ny be mahamena-maso, olon-drery tsy mba vahoaka. ( Ny hazo no vanon-ko lakana: ny tany naniriany no tsara: ny zavatra tsara dia avy amin'ny zavatra tsara ihany. / Ny tanora imita mandondona, ny antitra hazo amoron-teuana: enti-milaza fa na ny tanora na ny an-titra dia samy mety hopaohin-dRafahafatesana daholo. / Raha maniry ihany ny hazo tonga any an-danitra: entina mampiomana fa misy fetrany toy ny hazo maniry ny fanambinana, ny fahasoavana. / Todin'ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra: anisan'ny fanompoana fahiny ny maka ambora any an'ala hanaovana vatam-patin'andriana; izay nanao mosalahy tamin'izany dia voasazy ka nampitondraina izay hazo hita teny ho eny: enti-milaza ny famaizana tsy maintsy mihatra amin'izay manao tsirambina ny adidiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel