Dikan'ny teny : helika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny faritra lempona amin'ny foto-tsandry ao ambany. - t.i.f.: Hahelika 1 sakelika, - F-p.: Lava helika: mpangalatra mahay manafina ny halatra ataony / Rehefa miaafo helika ny kary: mari-potoana eo amin'ny roa ora maraina eo ho eo (amin'io fotoana io no noheverin'ny ntaolo fa avy nihinan-kanina nomen' ny mpamosavy azy ny kary ka misasa). * Ohab.: Tsy miady tsy miady nefa ny kibay an-kelika ihany: entina milaza ny olona miseho ho tia nefa vonona ny hamely raha vao misy azo hararaotina. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel