Dikan'ny teny : heloka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Olikolika, fiolikolehana: Misy heloka betsaka ity renirano ity. ? Fandikana ny lalàn'ny Nahary na ny fitsipiky ny fitondram-panjakana; hadisoana lehibe:Heloka bevava no vitany. •Sazy, noho ny hadisoana lehibe vita: Manefa ny helony any am-ponja izy. - t.i.f.: Meloka I helohina, melohina, aheloka, voaheloka / manameloka, fanameloka, mpanameloka j anamelohana, fanamelohana / mahameloka j fahameloka I mihameloka I helokeloka. ? F.-p.: Ady heloka: ilazana ny antokom-pitsarana mitsara momba ny heloka (ny mifanohitra aminy dia ny ady madio). JHelo-drano: ilazana ny rano mitsopaka any afovoan'ny tany izay lalovan'ny ony. / Heloka bevava: ilazana ny heloka na hadisoana lehibe, toy ny nahafaty olona. J Heloka am-po tsy ambara: fanasaziana na famaizana ankasahiana tsy nolazaina ny antony. J Mamaia heloka: tsy mitahiry hadisoana amin' ny hafa fa mihavana kosa, ka manadino ny ratsy nataony tamin'ny tena / Ranomaso manentsin-keloka: entina milaza ny olona miseho amin'ny hafa ho malahelo sy tsy diso ka mitomany hanafina ny ratsy natao. / Vomanga meloka: any an-tenda ma- nitsy azy: teny enti-miangavy ny olona mba hanitsy samy irery any am-pony any izay tsy mety amin'ny teny lazaina. * Ohab.: Ny heloka ibabohana mody rariny: izay miaiky ny hadisoany dia lefahin'ny olona ny helony, fa izay miziriziry kosa vao mainka omen'ny olona tsiny. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel