Dikan'ny teny : henamaso

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fahatahorana izay holazain'ny olona momba ny tena: Tokony tsy ho resin-kenamaso fa izay efa voalanjalanjan'ny tena ka hi-ta fa tsara no hatao. • Haja, fanajana:Ny henamasoko andrainao no tsy nivoahako ny trano teo no ho eo. * F.-p.: Manao an-kenamaso: manao tsy fidiny, manao tsy an-tsitrapo. J Matin-kenamaso: resin'ny henamaso ka manao zavatra tsy tiana na tsy tokony hatao akory. /Mizara henamaso: minia mandefitra ary mampiseho fanajana noho ny fihavanana, fa tsy miziriziry manampatra ny zo ananana. J Tsy mizara henamaso: tsy mahay mana ja, tsy miraharaha izay fihavanana fa manararaotra tsy misy indrafo raha vao misy hadisoana kely ataon'ny ha-fa. J Tsy izaran'ny olona henamaso: tsy mahamenatra ny olona, tsy hajain'ny olona. * Ohab.: Ny henamaso ombalahy: ny ombalahy dia voalaza ho masiaka sy manoto ka zary matahotra azy ny olona: enti-manala tsiny ny olona resin-kenamaso eo anoloan'ny mahery noho izy, na enti-milaza ny herin'ny henamaso eo amin'ny olombelona J Matin-kenamaso ka homam-barim-boka: enti-milaza olona apanaikinaiky foana noho ny henatra, na dia zava-dratsy aza no atolotra azy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel