Dikan'ny teny : henatra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Tahotra ny fahaverezan-kaja sy voninahitra : Henatr'olona re izany! Tsy sahy mitraka mihitsy izy rehefa mamakivaky eo afovoan'ny olona. ? Fahatsiarovana ny tena ho ambany, noho ny toetra ratsy ananana na asa ratsy tsy mendrika natao: Safotry ny henatra ny anao lahy fa tratran'ny fokonolona nangalatra teo an-tsena. • Fahafaham-baraka: Henatra ho an'ny fianakaviana ny zaza tahaka ireny, • Fanajana be loatra amin'ny olona iray ka mahatonga ny tena tsy ho sahisahy aminy. * F.-p.: Henatra iombonana: ilazana fahafaham-baraka mahazo ny fianakaviana ka heverina ho mihatra amin' ireo havana rehetra. j Henatry ny razana: enti-milaza ny mahantra fadiranovana ao amin'ny fianakaviana, izay toy ny henatry ny razana ka tokony hampian'ny havana rehetra. J Saro-kenatra: mora menatra, mivoara-mena vetivety raha vao misy resaka na teny momba azy. J Takonkenatra: enti-milaza ny varavaran-tapaka natao mba tsy hivantanan'ny mason'ny olona amin'ny ao an-trano; ilazana koa ny fitafiana silany kely tsy mahasarona afa-tsy izay faritry ny tena mahamenatra. * Ohab:Ny handrina no tsy naniry volo: ny henatra (Jer. Handrina). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel