Dikan'ny teny : hendry

Hampiditra dikany vaovao
1 p. t.: Mahalala ny ataony, mahalala zavatra, kinga, mahita hevitra soa: Rakoto iza re no hanao kitoatoa amin'ny raharaha tahaka itony? Tovolahy hendry iny! • Mahay mitondra tena, mana raka ny tokony hatao, manam-panahy: Sambatra ny lehilahy manana vady han-dry. • Azo anarina, tsy ma ditra: Hendry daholo ny zanakao, Ranona • Voalanjalanja isara araka ny tokony ho izy: Manaova alahelo han-dry (DOX). - t.i.f.: Mampahendryjmaha hendry j hahendrena,fahendrena j hendrihendry. - F-p.: Hendry ka tsy manan-ko an-tenu: tenin'olona miavonavona izay nanarin' olona mahantra, hono, ka namaly hoe: hendry ve tsy hanan-ko an-tena; toy izany koa ny mpitovo nananatra ny manambady ka nahazo valiny hoe: raha hendry tsy manan-ko an-tena. J Manao fialan'oion-kendry: miala moramora manaja tena raha misy fifandrozanana. / Miana-kendry: olona kevokevoka sy dedaka ka na ny zavatra tsy tokony hataony aza dia ataony. J Ny hendry ihany no anarina: enti-milaza fa ny hendry ihany no mety hahazo izay fananarana atao aminy (fomba mandokadoka ny olona anarina koa io sa tria avy hatrany izy dia atao anisan'ny sokajin'ny hendry). J Ny voa tsy hendry, ny azony adala: iharan'ny fahasahiranana lehibe sy tampoka ka mipepipepy sy mitotototo daholo, na ny hendry na ny adala, manadino ny tokony hatao. J Olon-kendry: ilazana olona mendrika ara-toetra na amin'izay ataony noho ny fahaizany sy hatsaram-panahy ananany. J Raha tsy uoa tsy hendry: tratran'ny fahavoazana noho ny natao vao mandinika, ary tsy mamerina na manindroa intsony. J Tsy adala tsy hendry: enti-milaza toetra hafahafa, fa raha miteny toa mahalala rariny, nefa ny fiainana tsy araka izany, na ny fiainana tsara, fa ny fiteny tsy mendrika. Ahitsio
2 ft.: Tily, tsikilo. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel