Dikan'ny teny : hetaheta

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Famaizana hisotro: Main'ny hetaheta aho izany. 1 h.o.: Fanirianamafy hanana; fitsiriritana tsy mety afa-po. - t.i.f.: Mangetaheta, fangetaheta, mpangetaheta / angetahetana, fangetahetana. * F.-p,: Afa-ketaheta: ilazana izay nisotro rano ka afaka teo ny fahamaimaizany hisotro rano. / Manala hetaheta: manome fahafaham-po amin'ny faniriana hisotro rano. / Mipoaky ny hetaheta ny tenda: feno faniriana tsy anerany hisotro rano. * Ohab.: Ny hetaheta tsy afa-dronono: efa natao misy sahaza azy ny zava-drehetra, ka na tsara toy ny inona aza ny ronono, tsy mahasolo ny rano izy mba hahafa•ketaheta./Sotro rano an-tanam-bazo tsy hetaheta fa angolangola: enti-milaza haitraitra kely mba hamalifaliana ny hafa fotsiny fa tsy zavatra tsy maintsy ilainy akory. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel