Dikan'ny teny : hevitra

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Fahazoana an-tsaina zavatra iray, eritreritra, fisaintsainana zavatra: Manjohy ahy foana izany hevitra izany. 1 Zavatra na tetika foronin'ny saina, fieritreretana, fandinihana: Nahita heuitra tsara izay namorona ity milina ity. 1 Saina: Manao azy ho be hevitra ny anao. / Fomba fahazoana, fahitana, fftsarana zavatra: Izao no hevitro momba io raharaha io. 1 Fisainana: Tsy misy mahatakatra ny hevitr'Andriamanitra. 1 Fanorotoroana, anatra: Tokony harahinao ny hevitra omeko anao. ΒΆ M.h.: Torohevitra. 1 Dikany, zavatra tiany holazaina: Lazao ny hevitry ny teny hoe miantsorona. 1 Fomba ampiasaina, tetika: Tsy hitako izay hevitra hialana amin'ity toerana ity. 1 Fikasana: Manankeuitra ny handositra izany ianao? *Antony, fotony: Tsy misy heviny ity zavatra nataonao ity. 1 Vidy, vidiny: Inty ny heuitry ny andro niasanao. - t.i.f.: Heverina, ahevitra, voahevitra / mihevitra, fihevitra, mpihevitra / iheverana, fiheverana / mahahevitra / hevitrevitra. - F-p.: An-keviny: ny tokony na ny mety ho izy. / Arakeviny: ny tokony ho izy mifanaraka amin'izay natao sy izay vita. / Ady hevitra: fiaraha-mikaroka ny marina amin'ny alalan'ny hevitra ampiadina. / Diso hevitra: manam-pisainana na fihevitra manalavitra ny tokony ho izy na ny marina. /Foto-keuitra: zavatra iompanana na ijoroan'ny hevitra. / Hevi-druvina: fisainana kitoatoa ary tsy marina. / Hevi-jaza na heui-behivauy: fisainana maivana sy mibirioka sady tsy voadinika tsara. / Hevi-javona: fisainana tsy maharitra sy mandalo vetivety./Hevi-poana: hevitra tsy azo tanterahina sy tena kitoatoa na dia tsara henoina ara. / Hevi-potsy: hevi-poana sy poaka aty. / Hevi-teny: fanazavana ny teny araka ny tena izy na izay nanaovana azy. / Hevitra ambony: hevitra avo loatra ka saro-draisina sy tanterahina. / Hevitra an-taingina: fiheverana peta-toko tsy voadinika tsara sady an-tematemaka. / Hevitra tsy azo tsy amin'olombelona: filazana fa ratsy ny mitompo teny fantatra fa tokony hodinidinihina amin'ny hafa izay hatao. 11zay heviny any heviny: tsy fiheverana izay tokony ha-tao, fa atao amin-kiry sy ditra fotsiny amin'izao. / Ma-ka hevitra: manao dinidinika amin'olona hahitana izay tokony hatao. / Manoro hevitra: manome fanorotoroana ny amin'izay tokony hatao. / Mitady hevitra: mikaroka izay mahasoa sy mety amin'izay atao na hatao. / Reniben-kevitra: ny tena fototra niteraka ny fihevitra dinihina, ny antony nahatonga ny fisainana. / Soso-kevitra: hevitra hafa noho ilay voalohany izay mety hanamafy kokoa na hitsipaka mihitsy aza ny mikasika izay nodinihina / Tapa-kevitra: tsy miroaroa saina na misalasala intsony fa vonona hanaraka izay efa noheverina. / Tolo-kevitra: teny omena hosainina eo amin'izay atao na heverina. / Tompon-keuitra: olona namosaka voalohany ny hevitra izay naharihary tao amin'ny maro. / Tsangan-kevitra: ny fototra ijoroan'ny hevitra tanana. / Tsipy hevitra: teny omena mba hampifandrindra ny fiheverana izay mety hifanipaka na tsy hifankahazo. / Tsy azon-kevitra: raharaha manahirana sy sarotra tsy misy fomba anamboarana azy. / Tsy misy heviny: entina milaza zavatra na teny heverina ho tsinontsinona sy tsy misy antony. J Very heuitra: mi roanahana tsy mahita izay hatao, na handroso, na hihemotra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel