Dikan'ny teny : hira

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fitohitohizam-peo misy miakatra sy midina, mafy sy malemy, namboarina mba hilaz ana fihetseham-p o; feo mirindra mahafinaritra: Mahahontsa izay hira izay. • h. : Tononkalo: Enga ante ny hirako hanony izay tomany (Ny Avana). ? Hixahira: Hira andaniana andro. - t.i.f.: Hiraina / mihira, fihixa, mpihira / ihirana, fihirana / hirahira. - Fasin-kira: ny feo fahatelo raha miaraka efatra ny mpihira, izay eo anelanelan'ny saikiny sy ny beso. / Faon-1e ira: ny naoty na solfa izay asiana teniny na tonony mba ho tongahira. / Hira gasy: entina milaza ny kabary, dihy, hira arahim-pihetsehana, ataon'ny olona maromaro iray tarika eny an-kalamanjana. / Hira madinika: entina milaza ireo hiram-pitiavana maro sy hira mitory hanin-kavana, / Hira masina na hiram-piangonana: ilazana ny hira atao ho fiderana an' Andriamanitra, ka any antrano fivavahana indrindra no fanaovana azy, / Hira rodom-be: ilazani, ny hira hirain'ny olona mihoatra ny efatra, ( Mamalan-kira: tsy manaraka ny tena feon-kira, na tsy mahatana feo, ka raha tsy lasa avo dia midina ambany. I Mamoron-k ira: manao feon-kira hihirana ny tononkira./Mandredona hira: miara-manao hira. / Mitari-kira: entina milaza ny olona mitarika na mandray voalohany ny hira eo am-piandohana. / Miventy hira: ilazanany olona maningana mialoha, dia arahin'ny maro, izay manao toy ny valin'izay nohixainy. / Tonon-kira: teny voarindra asiana feony. * Ohab.: Ny ateran-kira indray no milaza tsy mahay: enti-milaza ireo omen-javatsoa ne fa tsy mbamahay mamaly ara-panajana. / Hira va iny ka ilana pitsony?: entimilaza zavatra tsy ilana angesongesony, na fitandremana, fa tsorina amin'izao. ¶ M.h.: Kalo, kalokalo, vetso, vazo, antsa, atoa — Mihira: manainga feo, manandrapeo, miantsa, mivazo, mikalo, mitoreo, mitoloko, miredona, mandredona, mikalokalo, mivetsovetso, mitanisa. (Misy hevitra ifandraisany: Feon-kira, tonon-kira, feo voalohany, saikiny, fasiny, tonera, torebiny, beso, manao feo voalohany, manao safkiny, manao fasiny, manao beson-kira, manao feo an-doha, manao angoa: tenda). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel