Dikan'ny teny : hita

Hampiditra dikany vaovao
1 mt.ih.: Tazana, voatsipalotry ny maso: Hitanao ve ry uorona ambony hazo iry? 1 Miseho rehefa avy notadiavina: Hitako ilay solomasoko very. ~ Voazaha ary fantatra: Efa hitanao ue ilay trano tianao houidina? •Fantatra: Hitako ny hevitrao. - t.i.f.: Mahita, fahita, mpahita / ahitana, fahitana I hitahita. - F,-p.: Aza hitako: firariana ny 'Lena tsy hahita loza vinavinaina, / Aza hitan'ny fara aman-dimby: loza na fahoriana mahazo ny tena na ny hafa, ka tsy tiana hihatra amin'ny zanaka mpandimby na oviana na oviana. / Manao lalan-kitan-kisoa: enti-milaza fahazarana tafahoatra tsy misy fisainana ka miverimberina tsy misy farany. I Tsy hi-ta avanavana, na tsy hita pesimpesenina: any amin'ny la-vitra dia lavitra mila tsy azon'ny saina eritreretina. / Tsy hita fetra: tsy misy farany fa mitohy hatrany hatrany. / Tsy hita isa: ilazana zavatra maro be toy ny volondoha na ny valala. / Tsy hita iany: enti-milaza zavatra mikorontana sy mifanjevo na midadasika tsy taira-maso izay fiandohany na fiafarany. / Tsy hita noanoa: enti-milaza fahalavirana na halalinana sarotra faritana. / Tsy hita ueroka na tsy hita paipaika na tsy hita popoka: tena very tanteraka, na tsy antenaina ho hita intsony. / Tsy hi-ta zambazamba: tsy hita pesipesenina, / Tsy hitahita akory: enti-milaza fotoana niserana na nandalo dia nitrangan-javatra lehibe tsy nampoizina. * Ohab.: Vato am-balamparihy: raha tsy hitan'ny antsy raha fahauaratra, hitan'ny angady raha lohataona: entina milaza ny vato latsaka eny an-tanimbary, izay na dia tsy hitan'ny antsin'ny mpijinja aza dia hitan'ny angadin'ny mpiasa, ka ny tiana holazaina amin'izany dia hoe: tsy misy zavatra tsy ho bita na ho ela na ho haingana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel