Dikan'ny teny : hitsaka

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Fanosena amin'ny tongotra; fanaovana tsinontsinona, fanamavoana, faniratsirana. - t.i.f.: Hitsahina, ahitsaka, voahitsaka I manitsaka, fanitsaka, mpanitsaka I anitsahana, fanitsahana 1 mifanitsaka 1 mahahitsaka 1 hitsakitsaka. * F-p.: Hitsaka am-po rano: fanaovana izay heverin'ny te-na ho mety fotsiny fa tsy mi-la ny hevitry ny hafa. ΒΆ M. h.: Fanaovana soa am-po. / Hitsa-dany: ny ilany ihany no voahitsaka fa tsy izy roa, fiangarana. / Hitsa-drano: fanaovana an-keriny hiditra ao an-tranon'olona manana ady amin'ny tena. / Hitsaka andro: fanandroanahamantararra ny vintana izay ho avy mbola hiseho. / Hitsaka aloka: fanitsahana ny aloky ny olona tian' ny mpamosavy hamosavina. / Hitsa-tany: fanaovana an-keriny ny tanin' olona. / Hitsa-pasana: fandihizan'ny mpamosavy eo ambony fasana amin'ny alina. / Valin-kitsaka: enti-milaza ny setrin'izay natao. * Ohab.: Mpamosauy mile-vina amoron-dalana: ny valin-kitsaka no tsy tanty: enti-milaza ny olona mandray ny valin'ny nataony izay mampikaikaika azy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel