Dikan'ny teny : hitsikitsika

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Karazan-kazo lehibe mafy. Ahitsio
2 a.: Karazam-borona salasalany, mivolon-takatra sady mainty ny volony, 30 sm ny halavany ary mivelona amin'ny nofom-biby madinika sy ny bibikely (Tinnunculus) — Mahafinaritra jerena ny fanidin'ny hitsikitsika rehefa misonenika izay izy, ka nahatonga ny hiran'ny ankizy hoe: Mandihiza, Rahitsikitsika, hianaranay raha fararano. * Ohab.: Natao ho hitsikitsika hivavahana, kanjo voromahery nipaoka ny akoho: enti-milaza olona namoa-doza. / Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha: tsy misy fisehoan-javatra tsy manam-pototra na antony. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel