Dikan'ny teny : hitsy

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Toetran'ny zavatra mijoro tsars, tsy bilabila: Mahafinaritra ny mifery ny hitsin'it? hazo it?. 1 Hamarinana, tsy fisian-diso: Mahagaga ny hitsin'ny fitenin'itj' zaza it?. ? Fahamarinana, tsy fiolakolahana; ny marina, ny rariny: Tokony hitsara mandrakariva araka ny hitsiny ny mpitsara 1 Tandrify: Mipetraka eo amin'ny hitsin' ny tsena indrindra izahay. i ti.(.: Hftsina, ahitsy, voahitsY I manitsy, fanitsy, mpa. nitsy 1 anitaiana, fanitsiana I mifanitsy I mihitsy, fihitsy, mpihitsy / ihitsiana, fihitsiana / mahahitsY 1 hitsihitsy f mahitsy, fahitsy / fahitsiana. ? F.-p.: Hitsy loha: filazana am-pahatsorana tsy misy olakolaka izay natao. / Hitsindalana: fanavatsavana sy fanitsiana amin'izay akaiky, fa tsy manaraka ny lalana fais-ha izay matetika miolakolaka / Manao hitsin-dalana: Tsy manaraka ny tena lalana fa manavatsava sy manitsy amin'izay akaiky. / Hitsimpandraka: hevitra aseho ara-ka ny tena ao am-po fa tsy mba misafary. * Ohab.: Zatra ny fita ririnina ka fahavaratra avy no manao hitsin-dalana: enti-milaza olona entim-pahazarana fotsiny ka ny tsy tokony ha-tao avy no atao; enti-milaza koa ireo olona voa noho ny fanarahany ny fahazarana fotsiny, tsy mahay manova famindra raha misy hilana izany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel