Dikan'ny teny : ho:

Hampiditra dikany vaovao
1 Teny kely fametraka eo alohan'ny teny iray hanambarana ny fotoana ho avy, ka io teny ialohany io mety ho: — Anarana: Ny ho dokotera no kendreny. — Mpamaritra anarana: Ho hendry aho amin'ny sisa — Mpisolo ana-'ana: Ho izany tokoa! — Matoanteny: Ho tonga rahampitso izy. / Ho vita ity rahariva (raha mt. ih. misy tovana, mitovona ny ho: Hovitaiko ity rahariva). — Mpamaritra matoanteny: Ho aiza i Neny? — Ho any an-tsena a-ho, anaka. ~ Teny kely fametraka eo a lohan'ny an- na ny mpisolo anarana misolo olona faine-no (ahy, anao, azy...) ka enti-milaza ny olona voakendry ho tompon-javatra: Ho andRakoto, ho antsika •Teny fanao: a) eo aorian'ny mt„ toy ny hoe atao, heverina hilazana toe-javatra tsy tahaka ny niheverana azy: Nataoko ho efa lasa ianao; b) eo aorian'ny mt., toy ny hoe manao, mihevitra, mihambo, hilazana toetra tsy ananana: Manao azy ho adula, mihevitena ho mahay; d) eo aorian' ny mt. toy ny manova, miova, ovana: Miova ho tsara ~ Teny fampidirana ny fehezan-kevitra milaza zava-kendrena: Mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana, na firariana: Ho tonga anis i Dada! 1 Eo anelanelan'ny mpamaritra mt. miverina indroa enti-mllaza toerana na fotoana tsy voafaritra marina: Aiza ho aiza, eto ho eto, atsy ho atsy. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel