Dikan'ny teny : hoditra

Hampiditra dikany vaovao
1 a.: Ny fonony ivelany amin'ny tenan-javamananaina (olombelona, biby) na zavamaniry: Miuoaka amin'ny mason-koditra ny hatsembohana. / Volouoloina ny hodipaiso. 1 Ilazana ny volon'ny tenan'ny olombelona koa. - t.i.f.: Hodirina / manodi• tra, fanoditra, mpanoditra 1 anodirana, fanodicana / mihoditra / mahahoditra I hoditroditra. - F.-p.: Amboadia mitafy hodi-janak'ondry: entina milaza olona fatra-pihatsaravelatsihy lozan-tany. / Fanavakauaham-bolon-koditra: entina milaza fiangarana noho tsy fitovian'ny volon-koditra. / Hodi-potsy: aretina mahazo ny hoditra, izay manjary toy ny anakandroana. / Hodi-maso: ilay hoditra mahazo mikatona sy mivoha manarona ny maso. I Hodi-toho: fahamaintisan'ny hoditra amin'ny faritra kely amin'ny tena. / Mamy hoditra: tiam-bahoaka. / Manao hodi-tsirany sy hodi-peny: enti-milaza olona miangatra (samy hoditra tokony tsy hisy hafa ireo — ny sirana sy ny fe ka tsy azo avahana ho tsy maharary raha amin'ny iray, fa manaintaina kosa amin'ny ilany faharoa). / Mangidy hoditra: olon-doza sy efa nahavita ratsy tamin' ny mpiara-belona ka tsy tian' ny olona mainty. / Manolokoditra: enti-milaza fitafiana anatiny indrindra ka mikasika ny hoditra. I Maniry ma-nitra ohatra ny alika miambozon-koditra: entina milaza olona tsy lavitra zava-tsoa iray, nefa tsy afaka haka azy fa mitsiriritra lava eny. / Mari-koditra: ilazana ny olona mangatsiaka ka mangovingovitra hila hanavy. /,Mby ankoditra: enti-milaza loza na fahasahiranana mahazo ny tena ka tsy azo akifika. J Mihorona ny hodi-doha: mahatsiaro tahotra amin'ny zavatra iray ahina hihatra amin' ny tena ka toa mikainkona ny hodi-doha. / Tandra vadin-koditra: enti-milaza zavatra tsy azo sarahina fa miaraka mandra-pahafaty. / Mihodi-bola: mivolom-bolamena, nefa somary mavo antitra. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel