Dikan'ny teny : hoe

Hampiditra dikany vaovao
1 p.mt.: Toy izao, sahala amin'izao (fanao eo alohan' ny tenin'olona iray izay averina araka ny nitenenany azy):Dia niteny indrindra Andrianampoinimerina nanao hoe "ny ranomasina no valamparihiko". / Lazao aminy hoe "Tonga i dadanay". / Mba tiako ilay hira manao hoe: Ry tanindrazanay malala ô!) • Teny kely entina miangavy na mandidy, ary mety hifono hevitra fihantsiana na fahatezerana arakaraka ny feo ilazana azy: Mitsambikfna hoe hahitana ny fahaizan' Ingahy! / Aiza hoe mba hojereko. 1 Marina ve? Namidiny hoe ny tranony tetsy Ambondrona a F.-p.: Atao hoe: enti-milaza ny anaran'ny zavatra na olona tenenina: Dia nonina tao amin'ilay vohitra iray a-tao hoe Fanambinantsoa izahay.// Izany hoe: enti-manazava ny hevitra na ny teny iray: Aza manao izay hampaiahelo an'Andriamanitra, izany hoe aza mono ta. ll Lazao hoe: enti-milaza ny teny asaina averin'ilay olona hafarana: Lazao hoe manavy aho ka tsy ho tonga amin'ilay fotoana. // Ahoana hoe: entimanontany raha tena izany tokoa no izy, ka matetika fiangaviana hamerina ny efa voalaza io: Ahoana hoe? (toy izany avokoa no hevitry ny "hoe" aorian'ny teny enti-manontany: Iza hoe no nilaza izany?) Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel