Dikan'ny teny : homana

Hampiditra dikany vaovao
1 (h - om - ana) mt.: Mihinana: Tsy homan-kena izahay anio. 1 Mandany za• vatr'olona ho an'ny tena: Homana ny volam-bahoaka io mpiasam-panjakana io. • Mahazo: Mba tsarooy ny na-mana fa homana be ise amin' io asa io. - F.-p.: Mandao homana: miala alohan'ny fahataperan' ny sakafon'ny olona miara• mihinana amin'ny tena. / Homam-bela: maty amin'ny fanorona ka manarina ny fahafatesana. / Tsinay homana aty: enti-milaza olona mifamely na mifanimba nefa mpihavana na mpisakaiza izao. / Homam-bary olona: ilazana ny fotoana fihinanan'ny olona sakafo amin' ny hariva. / Homan-dany roa ohatra ny dinta (sady mitsentsitra ny vavan'ny dinta no manaikitra ny vodiny): enti-milaza zavatra mampididoza roa. J Homan-dela: zana ny zavatra masiatsiaka ka manaikitraikitra ny lela nony hanina. ( Homan-tena: ilazana ireo miferin'aina amin'ny zavatra mihatra aminy; ny tany homan-tena kosa dia ireo mihotsaka sy mikorosy ho azy na tsy misy mihady akory aza. /Homantenda: ilazana ny zavatra mampalaolao na manitikitika ny tenda raha hanina. / Homan-tsy mizara kapakapa lela: anambarana ny sarotra an-kanina ka tsy manome ny namany. / Sady mandidy no homana: ilazana ireo tsy 'niera fa sady manao ny baiko no avy hatrany dia mihinana. * Ohab.: Bolokilahy homamboan-tseua ka mamy ny atsy, fy ny aroa: ilazana ny tia roa ka sady tia ny ventiny no tia ny rony, sady tsy mahafoy ny eo an-tanana no mankamamy ny any ivelany. / Gisalahy homan-ketsa ka izy mihinana indray no avo va-va: ilazana ny olona nanao ratsy na nangalatra ny an'ny hafa, nefa izy indray no be vava sy midrinkina. / Mandrara homana ohatra ny goaika: ny feon'ny goaika dia tsy miato na efa mihina• na ny voanjon'olona aza ka mova tsy ny mpiandry mise-ho ho mikarakara iny izy, kanjo izy no tena mihinana ny zavatra andrasany. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel