Dikan'ny teny : homehy

Hampiditra dikany vaovao
1 (h - om - ehy) mt.p.: Misoka-molotra mampiseho nify ho fanehoana hafaliana na koa fanesoana koa aza: Sahy homehy ahy ve ianao? / Tsy fanao ny homehy lavo. (Ankehitriny dia ny hoe mihomehy no fampiasa indrindra). i tif: Mihomehy, fihomehy, mpihomehy / ihomehezana, fihomehezana 1 mahahomehy / homehimehy. - F.-p.: Aza homehy lavo: ny fahalavoana, hono, tsy maha-lehibe, ka entina nananatra izany fandrao mba potraka koa ny tena any andro. / Mihomehy rindrim-baky: ilazana ireo olona mihomehimehy foana na dia tsy misy tokony hihomehezana aza; ny tsy ampiampy saina no manao toy izany. * Ohab.: Aleo manontanitany foana hihomehezana toy izay manaonao foana hotezerana: ilazana ny olona tsy ta hanao kitoatoa ka manadinadina sy mamakafaka tsara aloha vao manao zavatra. / Taolana ny nify ka mihomehy: entina milaza fa mety hisy toe-javatra tsy maintsy itsikiana, na dia amin'ny voina na fahoriana mahazo aza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel