Dikan'ny teny : hozatra

Hampiditra dikany vaovao
1 a: Teny nentin'ny ntaolo nilaza tsorian-javatra efatra karazana ao amin'ny tenan'ny olombelona na ny biby: 1) Karaza-nofo mitsiratsixaka toa tady kely izay mitambatra am-p?hezany amin'ny tendrony ary mivelatra ho takelaka eo an-tenatenany ka mahay mampihetsika ny tena noho ny fahazoany mikainkona sy mitsotra: Miuonkin-kozatra aho rehefa mandeha elaela 2) Karazan-kofehy madinika fotsifotsy mitambatra nefa mivelatra mirantsana manarona ny lohataolana amin'ny famavany ka mahatonga ny taolana roa hihetsika (oh. ny taolan-tsandry sy ny lantontsandry eo amin'ny kiho). 3) Lalan-dra: Misy marary hono, ny hoza-pon-drainy. 4) Ireo kofehy madinika kely fotsy mova tsy ny taretra fotsifotsy izay mitondra fandrenesana any amin'ny atidoha ary mitondra avy any kosa ny baiko fampihetsehana: Ny atidoha no ihaonan' ny hozatra rehetra / Voan' ny aretin-kozatra Rakoto no mahatonga ny tanany hangouitra ohatra io. 1 t.f f : Hozatina, hozatrozatra / mahozatra na maozatra. ? F-p.: Be hozatra: hita mivanditra tsara ny hozany. / Hoza-be: ireo•hozatra manarona ny taolana amin'ny famavany. J Hoza-po: ny lalandra mitondra ny ra avy ao smin'ny fo mankamin'ny te-na manontolo. / Hoza-dra: ny lalan-dra mamerina ny ra any amin'ny fo rehefa avy mamelona ny tena manontolo. / Hozany: ny zava-kendrena, ny antony. / Mitsangan-kozatra, uelon-kozatra: hita miseho eo amin'ny hoditra ny hozatra izay toy ny mivanditra. / Tsy hita izay tena hozany: tsy hita izay tena fotony, antony, zavakendrena. / Aretin-kozatra: aretina mandemy ny hozatra. / Hoza-drauina: entina milaza ny kiran'ny ravina toy ny anana, ets... / Ma-mono hozatra: enti-milaza ny olona torana ka mihinjitrinjitra toy ny efa miala ai-na. / Miuonki'n-kozatrâ: re mivonkina ny hozatra ka mibontana amin'ny faritra iray, ary dia tsy mihetsika mihitsy amin'izany fa mihizihizy fotsiny eo. * Ohab.: Ny teny toy ny hena ka raha roritina tonga hozatra: tsy tsara raha ny rasa-ka na ny ady hevitra no halavaina loatra fa mety hanjary fanditra na ady mihitsy aza. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel