Dikan'ny teny : ialahy

Hampiditra dikany vaovao
1 s.o.: Ifanaovan'ny samy lehilahy tokana mitovy saranga: Taiza ialahy no tsy hitako androany? (raha maro dia ampiana ny teny hoe isany): Ho aiza ialahy isany rahariva? •Fampiasa raha tezitra: Avereno hoe ny tenin'ialahy tao! 1 Fampiasa ho fanambaniana na ho fanevatevana mihitsy raha olona tsy ao anatin'ny fianakaviana na efa misy fifankazarana: Inona izay ialahy no mba hifaninana amiko. • Fampiasa koa anefa indraindray ho fanajana raha olona ambony no miteny amina lehilahy nahavita zavatra. - t.i.f : Ialahihary 1 mialehilahy, fialahilahy, mpialahilahy / ialahilahiana, fialahilahiana. Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel