Dikan'ny teny : ilay

Hampiditra dikany vaovao
1 pn. a: Fanao indrindra amin'ny anaran'olona na zavatra: 1) tondroina mafimafy kokoa: Ny masoandro no ilay mpanasoa ny voary; 2) na efa noresahina: Moa efa tonga teo ilay mpandrafitra? 3) na anaram-bosotr'olona na biby lahy: Nandrifatra ilay mena ka tsy tana. (Matetika no soratana atao teny iray ny ilay sy ny mpamaritra anarana, ny fitambarany no nanjary anaram-bosotra: Nandrifatra Ilaimena ka tsy tana). - F,-p.: Ilay fady, ilay karin' olona, ilay tsy vanona: entimanondro olona fetsifetsy, fangoloka tokony hohalavirina, hatao fady ny miaraka aminy. / Ilay haka: ilay fetsy. / Ilay kary, ilay maty: ilay fatsora. J Ilay mangera: ilay matesa. J Ilay mihoiza mihoiza: ilay idiran-doza. / Ilay montana: ilay tsy vanona. / Ilay tonaka: ilay dondrina. J Ilay trotraka: ilay voaozona, ilazana olona tsinontsinona sy tsy misy antony noho ny haratsiany. / Ilay fito: anarana omena ireo andro vitsivitsy manorana tsy an-kijanona (eo amfn'ny hafitoana eo ho eo no aharetany ka amin'ny faramparan'ny fahavaratra no misy azy). Ahitsio

Fitadiavana teny


Cancel